dimanche 10 décembre 2017

Alahady 10 Desambra 2017 - Lio 18 : 15 - 17

15Na ny zazakely mbola trotroina aza dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa mba hametrahany tanana. Hitan'ny mpianatra ireto olona ireto ka noteneniny mafy. 16Nefa dia nasain'i Jesoa ho entina eo aminy ny zazakely sady hoy izy hoe:

–Avelao ny zazakely hanatona Ahy ary aza raràna, satria an'ny toa azy ireny ny Fanjakàn'Andriamanitra. 17Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn'Andriamanitra toy ny andraisan'ny zazakely azy, dia tsy ho tafiditra ao.

Mahatratra ny sokajin'olona rehetra ny fitiavan' Andriarnanitra. Noho izany:

1- Mibebaha amiirnv fanilikilihana (and 15)
Manana endrika fanilihana ny zaza ny fandraran'ny mpianatra ireo olona nitondra zaza ho eo amin'i Jesoa. Ny mpianatra nanilika, fa Izy kosa niantso azy ireo hitondra ny zaza ho eo Aminv. Be fitiavana Andriamanitra ka tsy mba manilika na manavaka. Mibebaha amin'ireo endrika fandrarana sy fanakanana ataontsika amin'ny ankizy sy amin'ireo sokajin' olona madinika ka mahatonga azy ireny tsy ho tafiditra any am-piangonana, na tsy hanana anjara amin'izay atao ao am-piangonana.

2- Mandraisa nv toromarik'i Jesoa (and 16)
Manana ny anjara toerany ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra ny zaza. Tsy misy na iza na iza rahateo azo sakanana tsy hanatona ny Tompo sy hanana ny anjarany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Lohalaharana amin' ireny ny zaza. Anisan'ny fihetsika nanafintohina an'i Jesoa ny fandrarana ny zaza tsy hanatona Azy (Mar 10, 14). Baiko no omen'i Jesoa antsika Fiangonana. Omeo sehatra ivelarany sy itomboany eo anivon'ny Fiangonana nv zaza. Fampianarana koa no omen'ny Tompo antsika ny amin'izay tokonv hananantsika toe-po tahaka ny zaza rehefa manatona an'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Inona avy ireo endrika fanilihana ny zaza efa hitanao niseho tao am-piangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12