vendredi 8 décembre 2017

Zoma 08 Desambra 2017 - Efe 2 : 1 - 10

1Fahiny ianareo dia maty ara-panahy noho ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. 2Niaina araka ny fomban'izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin'ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin'ireo olona tsy manaiky an'Andriamanitra. 3Izahay rehetra koa dia anisan'ireo olona ireo, fa nanao fitondrantena araka ny filàndratsin'ny maha olona mpanota izahay fahiny ka nanao izay danin'ny kibo sy saim-pantatra. Noho izany toetranay izany, dia natao hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra tahaka ny hafa koa izahay.

4Kanefa lehibe tokoa ny famindrampon'Andriamanitra, satria fatratra ny fitiavana asehony amintsika; 5ka fony mbola maty ara-panahy isika noho ny fahadisoantsika, dia novelominy indray niaraka tamin'i Kristy. Fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo! 6Fa noho isika efa tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia niara-natsangan'Andriamanitra ho velona isika sy niara-napetrany any an-danitra. 7Nataony izany mba hanehoany amin'ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin'i Kristy Jesoa. 8Eny, fahasoavan'Andriamanitra no namonjena anareo, tamin'ny alalan'ny finoana! Ary tsy avy aminareo izany famonjena izany, fa fanomezan'Andriamanitra; 9tsy vokatry ny ezaka vita, fandrao hisy hirehareha. 10Fa asan'Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin'i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman'Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin'ny fiainantsika.

Maneho fìtiavana antsika ny Tonipo

Endrika maro no anehoany izany. Ireto santionany ho antsika anio:

1- Famelomanaina:
 "Ary hianareo dia efa novelomin'ny, fony mbola matin'ny fahadisonareo sy ny fahotanareo" (Efes 2:1)
Fahafatesana no tambin'nv ota. Izay miaina amin'ny rehak'izao fiainana izao dia efa mizotra amin'ny fahaverezana. Soa fa teo i Jesoa, mamelona antsika indray tamin'ny nanolorany nv tenany.

2- Famindrapo sv fitiavana:
 "Fa Andriamanitra izay manankarena amin 'ny famindram-po, noho ny halehiben' ny fìtiavany izay nitiavany antsika. "(Efes 2:4). Rehefa eo ny fitiavana dia manaraka ho azy ny famindram-po, tsy sarotra ny mamela heloka ny olon-tiana. Zava-dehibe ho an'ny mpino io famindrainpon' Andriamanitrá io.
3- Fananaanana sv fanrenana:
"Ary niara natsangany isika " (Efes 2:6)
Na teo aza ny fandehanana araka ny fomban'izao tontolo izao sy ny hetraketraky ny devoly izay mpanampaky ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia eo indrindra ny Tompo. manangana sy manarina. Ka izay atsangana sy arenina dia takiana hiaina amin'ny toerana nahalavo azy ary handroso amin'ny lalam-baovao araka ny fitarihan' Izy Tompo.

Fanontaniana:
Ny fitiavana no paikady mahomby ho fananganana sy fanarenana mihoatra noho ny famaizana sv ny latsalatsa. Nahoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12