jeudi 7 décembre 2017

Alakamisy 07 Desambra 2017 - Jao 14 : 18 - 24

18Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo.

21Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin'ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.

22Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariôta), nanao tamin'i Jesoa hoe:
–Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa?

23Dia novaliany hoe:
–Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray Izay naniraka Ahy.

Maro ireo fomba ahafahana mijoro ho fanasina sy fahazavana. Mampita hafatra amintsika amín'ny alalan'ny mofon'aina anio ny Tompo ary manambara fa:

Ny tena vavolombelon'nyTompo dia:

1- Tia an'i Jesoa:
Izay tia Ahy no tian'ny raiko (Jao 14:31) Ny fo no foiben'ny aina sy ny fihetsehana. Ao no mitempo fitiavana, ao koa no misy ny fakahalalana. Ny hoe tia an'i Jesoa dia raiki-pitia Aminv tanteraka. Miara-palv Aminy, miara-malahelo Aminy. Izay tian'i Jesoa dia tiany. izay halan'i Jesoa dia halany.

2- Mitandrina nv tenin'i Jesoa:
Izay milaza hoe tia an'i Jesoa nefa tsy mitandina ny Teniny dia mpandainga. Nampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny fitiavana ny rahalahy izay hitan'ny masontsika no hanombobana ny fanehoana ny fitiavana an'i Jesoa: "Izay milaza fa tia an'Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahany dia mpandainga". Fa ataony ahoana no hitia an 'Andriamanitra izay tsy hitany, nefa ny rahalahiny izay hitany aza tsy tiany. Araka izany.dia aseho amin'ny marika hitamaso sy azo tsapain-tanana ny fitiavana ny Tompo. Tsy ampy ny fitivana eo imolotra fotsiny. Tsy afa-nisaraka ny fitiavana an'Andriamanitra sv ny fitiavana ny namana fa mifampainkina sy mifameno.

Fanontaniana:
Inona avy no hanehoanao ny fitiavana an 'I Jesoa eo amin'ny fìananao andavanandro?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12