dimanche 5 août 2012
Alahady 05 Aogositra 2012 - Neh 5 : 1 - 8
1 Indray andro dia nisy lehilahy sy vehivavy sarambabem-bahoaka nitaraina mafy noho ny ataon'ny Jiosy sasany mpiray firenena aminy. 2 Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin'ny zanakay lahy aman-janakay vavy; koa te hahazo vary izahay mba hohaninay sy hivelomanay. 3 Nisy koa nanao hoe: Ny sahanay sy ny tanimboalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka; koa te hahazo vary izahay mandritra ny mosary. 4 Nisy indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran'ny amperora; ary ny sahanay sy ny tanimboalobokay no nataonay antoka. 5 Kanefa mba tahaka ireo mpiray firenena aminay ihany ny tenanay, ary tahaka ny zanak'ireo ihany ny zanakay; saingy na izany aza, dia voatery manolotra ny zanakay lahy sy vavy ho mpanompo izahay, ary ny sasany amin'ny zanakay vavy efa mpanompo rahateo. Tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan'ny hafa ny sahanay sy ny tanimboalobokay. 6 Dia tezitra mafy aho rehefa nahare ny fitarainan'ny olona sy izany teny izany. 7 Koa nanapa-kevitra anakampoko aho fa ny loholona sy mpanapaka no hanariko noho izy samy nampanana zavatra tamin'ny mpiray firenena aminy. Dia nampanao fivoriam-be hitsarana azy aho 8 sady niteny taminy hoe: Izahay, araka izay tratry ny fanananay, dia efa nanavotra ny mpiray firenena aminay, izany hoe ireo Jiosy namidy tamin'ny hafa firenena; fa ianareo kosa mivarotra ny mpiray firenena aminareo, ka amintsika samy isika ihany no ivarotanareo azy. Dia sina ry zareo fa tsy nahita havaly.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...