dimanche 19 août 2012
Alahady 19 Aogositra 2012 - Jao 17 : 20 - 26
20 Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. 21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray o, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. 22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika: 23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray o, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 25 Ray o, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. 26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...