vendredi 24 août 2012
Zoma 24 Aogositra 2012 - Asa 9 : 26 - 23
26 Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin'ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan'ny mpianatra. 27 Nalain'i Barnaba kosa i Saoly ka nentiny teo amin'ny apostoly; dia teo anatrehan'ny apostoly no nitantaran'i Barnaba ny fomba nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon'ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian'i Saoly nitoriteny tamin'ny anaran'i Jesoa tany Damasy. 28 Izay vao afa-nifanerasera tamin'ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 29 Niresahan'i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin'ireo hovonoina izy. 30 Nony fantatr'ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodiny nankany Tarsa. 31 Nandry feizay ny Fiangonana manerana an'i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin'ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan'ny Fanahy Masina.
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...