lundi 13 août 2012
Alatsinainy 13 Aogositra 2012 - I Tes 5 : 12 - 15
12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo. 13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo. 14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...