samedi 18 août 2012
Sabotsy 18 Aogositra 2012 - I Kor 12 : 23 - 26
23 ireo zavatra anisan'ny tena heverintsika ho kely voninahitra kokoa no omentsika voninahitra kokoa; ary ny tsy misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika no hajaintsika kokoa; 24 fa ny misy haja amin'ny zavatra anisan'ny tenantsika dia tsy mila izany. Fa tamin'ny nanamboaran'Andriamanitra ny tenantsika, dia izay kely voninahitra kokoa amin'ny zavatra anisan'ny tena no efa nataony homem-boninahitra kokoa; 25 hany ka tsy misy fisaratsarahana eo amin'ny tena, fa mifampiahy avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena. 26 Koa raha mijaly ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mijaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena; fa raha omem-boninahitra ny zavatra anankiray anisan'ny tena, dia miara-mifaly avokoa ny zavatra rehetra anisan'ny tena.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...