jeudi 23 août 2012
Alakamisy 23 Aogositra 2012 - Alakamisy Fil 2 : 1 - 4
1 Mampahery anareo tokoa ny firaisana amin'i Kristy, mampirisika anareo ny fitiavany, ary miombona amin'ny Fanahy Masina ianareo ka mahay mangoraka sy be hatsarampo. 2 Noho izany, dia fenoy tanteraka ny hafaliako: aoka hifanaraka tsara ianareo ka hoentanin'ny fifankatiavana sy hiray fo ary hiray saina; 3 aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filan-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena. 4 Aza dia samy mihevitra ny soa ho an'ny tena ihany, fa ny ho an'ny namana koa.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...