dimanche 12 août 2012
Alahady 12 Aogositra 2012 - I Pet 3 : 8 - 12
8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; 11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato; 12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...