jeudi 30 août 2012

Alakamisy 30 Aogositra 2012 - Jao 21 : 1 - 14


1 Tamin'izany, dia niseho tamin'ny mpianany indray i Jesoa teo amoron'ny farihin'i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany. 2 Tafaraka i Simona Petera, sy i Toma ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kana any Galilea, mbamin'ireo zanakalahin'i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy i Simona Petera tamin'izy enin-dahy: Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory. 4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nijoro teo amorom-parihy i Jesoa, kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. 5 Dia hoy i Jesoa taminy: Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka? Ka novalian'ireo hoe: Tsia! 6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7 Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera: Ny Tompo io! Vao ren'i Simona Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8 Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9 Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo. 10 Ka hoy i Jesoa taminy: Itondray trondro amin'ireo vao azonareo teo. 11 Dia niakatra tao an-tsambokely i Simona Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato. 12 Ary hoy i Jesoa tamin'izy fito lahy: Avia hisakafo! Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao?, satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro. 14 Izany no fisehoan'i Jesoa fanintelony tamin'ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin'ny maty.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12