mercredi 22 août 2012
Alarobia 22 Aogositra 2012 - Heb 10 : 19 - 25
19 Koa isika, ry havana, dia manana ny tena fahafahana hiditra ao amin'ny Toeramasina Indrindra, noho ny ra nafoin'i Jesoa. 20 Nanokafany lalana vaovao mitondra amin'ny fiainana isika: dia lalana mamaky eo amin'ny efitra lamba, izany hoe eo amin'ny tenan'i Jesoa. 21 Manana Mpisorona lehibe izay mifehy ny tranon'Andriamanitra isika; 22 koa aoka isika hanatona an'Andriamanitra amin'ny fo mahitsy sy amin'ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin'ny fieritreretana vesaran'ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin'ny rano madio ny tenantsika. 23 Aoka hohazonintsika mafy tsy azo hozongozonina ny fiekena ny zavatra antenaintsika, satria mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana. 24 Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany zatra tsy miangona; mifampirisiha kosa isika, mainka fa hitanareo mihantomotra ilay andro hiavian'ny Tompo.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...