samedi 4 août 2012
Sabotsy 04 Aogositra 2012 - Lio 11 : 23 - 28
23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka. 24 Rehefa miala amin'ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita! Amin'izany dia hoy izy hoe: Hody any amin'ilay trano izay nialako ihany aho. 25 Ary iny tokoa izy miverina ka mahita ilay tranony teo aloha voafafa sy voalamina tsara. 26 Dia lasa indray izy maka fanahy fito ratsy kokoa noho ny tenany ary miara-miditra ao izy rehetra ka miorim-ponenana. Ary ny toetra hiafaran'izany olona izany dia hahatsiravina kokoa noho ny toetrany voalohany. 27 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray teo afovoan'ny vahoaka nanandra-peo nanao taminy hoe: Sambatra izay reny nitondra Anao tao an-kibony sy nampinono Anao! 28 Fa hoy i Jesoa: Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina azy!
-
13 Tamin'izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an'i Johany teo amoron'i Jordana mba hataony batisa. 14 Nanda...
-
1Ny andro alahady, vao maraina mangiran-dratsy, dia lasa ireo vehivavy nankany amin’ny fasana nitondra ny zava-manitra efa voaomany. 2Tazan...