mardi 28 août 2012
Talata 28 Aogositra 2012 - Rom 15 : 1 - 6
1 Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan'ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny. 2 Samia isika manao izay mahafaly ny namantsika amin'izay mahasoa ka mampiorina azy amin'ny finoana. 3 Satria i Kristy koa tsy nikatsaka izay hahafaly ny tenany, fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: Ny latsa nataon'izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko. 4 Eny, izay rehetra hitantsika ao amin'ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin'ny Soratra Masina. 5 Ary Andriamanitra loharanon'ny faharetana sy ny fampaherezana anie hampiray hina anareo, hanaraka ny ohatra nomen'i Kristy Jesoa. 6 Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika.
-
1Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Isra...
-
1Farany, ry havako, mifalia noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny mamerina aminareo indray ny teny nosoratako ho anareo...