vendredi 17 août 2012

Zoma 17 Aogositra 2012 - I Mpan 1 : 1 - 14


1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana. 2 Hoy ny mpanompony taminy: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao. 3 Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin'ny tanin'i Israely manontolo ireto mpanompon'i Davida; ary tao Sonema no nahitany an'i Abisaga izay nentiny tany amin'ny mpanjaka. 4 Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon'ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka. 5 Fa i Adonia zanakalahin'i Hagita kosa tamin'izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.
6 Hatramin'izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma. 7 Dia niresaka tamin'i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy tamin'i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nahazo ny fanohanan'ireo. 8 Fa i Tsadoka mpisorona sy i Benaia zanakalahin'i Joiada sy i Natana mpaminany mbamin'i Simehy sy i Rehy ary ireo kalazan'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia. 9 Indray andro dia nikorana teo amin'ny vaton'i Zoheleta akaikin'i Haina-Rogela i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin'i Joda izay mpanompon'ny mpanjaka. 10 Kanefa tsy mba nasainy i Natana mpaminany sy i Benaia sy ireo lehilahy kalaza ary i Salomona rahalahiny. 11 Niteny tamin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Natana ka nanao hoe: Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adonia zanakalahin'i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory? 12 Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salomona zanakao. 13 Mankanesa any amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjakay 14 Dia hoy ihany i Natana: Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin'ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12