mercredi 8 novembre 2017

Alarobia 08 Novambra 2017 - Eks 14 : 10 - 14

10Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

Eo am-piandrasana ny Tompo

Tandindon'ny fiainan'ny mpino miatrika zava-tsarotra eo ampiandrasana ny fiavian'ny Tompo ny tranga nahazo ny zanak'Israeiy eto. Eo ampiandrasana ny Tompo dia:

1- lalao nv fanomezan-tsìny ("and 11-12)
Fanomezan-tsiny an'i Mosesy no nibahana tao an-tsain'ny vahoaka rehefa injay ka tazan'izy ireo nanaraka avy ao afara i Farao sy ny miaramilany (and 10). Toe-tsaina mpahazo ny maro koa matetika ny fanomezan-tsiny ny mpitarika rehefa injay ka tojo ny sarotra na ny tsy nampoizina. Fimonomonomana, fanomezan-tsiny, fialana andraikitra no mipololotra ao am-pon'ny maro fa tsy mba fifanomezan-tanana sy fifampaherezana.

2- Itokio nv herin'nv Tompo (and 13-14)
Naverin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy ilay teniny hoe: « Aza matahotra ». Narahina fampanantenana fa ny Tompo no hiady ho azy ireo. Teny fanomezan-toky eo anatrehan'ny sarotra izao teny izao. Mandra-piavin'nv Tompo dia tsy maintsy misedra ny sarotra ny mpino. Antoka handresena izany anefa ny herin'i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana sy ny teny fanomezan-toky nomeny ho antsika manao hoe: « aty amin'izao lontolo ìzao no ahitanareo fahoriana. nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao »(Jao 16,33).

Fanontaniana:
Manao ahoana ny fihetsikao raha misy olana tampoka mitranga eo amin'ny fiainan'ny Sampana na ny Fiangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12