vendredi 3 novembre 2017

Zoma 03 Novambra 2017 - Rom 8 : 18 - 25

18Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin'ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin'izao andro izao. 19Fa tsindrian-daona erỳ ny zavaboaary miandry ny hanehoan'Andriamanitra an'ireo zanany*. 20Fa tonga nanaiky ho zavatra tsinontsinona ny zavaboaary, tsy araka ny nahiny anefa, fa noho ilay nampanaiky azy toy izany8.20 Ny rijan-teny grika fototra dia milaza fotsiny hoe ilay nampanaiky azy toy izany; kanefa ny lazainy eto dia toa Andriamanitra sy ny vokatry ny fitsarany eo anoloan'ny fahotan'ny olombelona. Misy kosa mihevitra fa i Satàna no lazaina eto.. Saingy eo ny fanantenana: 21Fa ny zavaboaary koa aza dia hoafahana tsy ho andevon'ny fahasimbana indray andro any ka handray anjara amin'ny fahafahana be voninahitra hananan'ireo zanak'Andriamanitra. 22Saingy fantatsika fa mandraka ankehitriny, ny zavaboaary manontolo dia miara-misento sy mijaly toy ny vehivavy mihetsi-jaza. 23Ary tsy ny zavaboaary ihany; fa isika koa, izay manana ny Fanahy Masina ho santatry ny fanomezan'Andriamanitra, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka hanavotany tanteraka ny tenantsika8.23 Ampit 2Kôr 5.2-4. –Misy stf sasany tsy ahitana hoe hanaovan'Andriamanitra antsika ho zanany ka. . 24Eny, efa voavonjy isika saingy mbola amin'ny fanantenana; ny mahita izay nantenaina dia tsy manantena intsony; satria iza no mbola hanantena izay zavatra efa hitany? 25Fa raha manantena ny tsy hitantsika isika, dia miandry amim-paharetana.

Ny voninahitra omen'ny Tompo ny mino(and 18)

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Tsy azo lavina izany. Ny Tompo koa ancfa dia niteny fa « Izay manóme voninahitra Ahy no homeko voninahitra «(1 Sam 2,30). Ny voninahitra omen'ny Tompo dia :

1- Voninahitra lehibe
« Tsy tokony oharina »no ilazana ny fahalehibiazan'ny voninahitra atafin'nv Tompo izay rehetra maharitra amin'ny fínoana Azy. Tsy misy azo ampitahaina na ampitoviana lanja amin'izany voninahitra izany. Tsy toa inona akory ny vesatry ny fahoriana iaretan'ny mino raha oharina amin'ny voninahitra omen'ny Tompo azy. Ireo apostolv dia sahy nilaza fa satro-boninahitra tsy mety lo no miandry ireo izay maharitra amin'ny fínoana ny Tompo(l Kor 9,25: Jak 1, 12: 1 Pet 5, 4)

2- Voninahitra aseho
Hoy ny voalaza eto: « amin 'ny voninahitra izay haseho amintsika ». Ny mpino dia sady hanehoan'ny Tompo ny voninahiny no fanehoan'Andriamanitra ny voninahiny amin'ny hafa ihanv koa. Tsy mba takona afenina noho izany ny voninahitr'Andriamanitra fa asehony amintsika izany kanefa koa dia asehony amin'ny hafa amin'ny alalantsika rehefa manaiky ho vavolombelony marina tokoa isika.

Fanontaniana :
Voninahitra manao ahoana no tena katsahin'ny olona ankehitriny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12