jeudi 9 novembre 2017

Alakamisy 09 Novambra 2017 - Fil 3 : 17 - 21

17Ry havana, aoka hanahaka ahy ianareo ary diniho hatrany ireo manao fitondrantena araka izay ohatra nomenay anareo. 18Efa voalazako imbetsaka taminareo, ary dia mbola lazaiko amin-dranomaso ankehitriny, fa maro no manao fitondrantena manohitra an'i Kristy maty teo amin'ny hazofijaliana. 19Fahaverezana no hiafaran'ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha3.19 ny kibony: ireo fandrarana ny hanina sasany izay tandreman'ny mpanaraka lalàna jiosy (ampit Rm 16.18; Kôl 2.16, 20-21) no toa kendren'i Paoly hokianina eto. –ahazoany henatra: mety mampahatsiaro ny famorana (Gal 6.13, 15).. 20Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin'ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo. 21Izy no hanova izao tenantsika tsinontsinona izao, ka hampitovîny amin'ny tenany be voninahitra, araka ny heriny miasa hahatonga ny zavatra rehetra hanaiky Azy.

Fantaro Ilay Mpamonjy andrasana (and 20-21)

Tsy takona afenina fa na eto amin'ny firenentsika aza dia misy ny mitonon-tena ho i Jesoa Kristy. Tsy mahagaga izany fa efa nambaran'ny Soratra Masina rahateo (Mat 24, 5). Fantaro avy amin'ny fanambaran'ny Soratra Masina anefa Ilay tena Mpamoniy andrasana.

1- Ny anaranv:
Jesoa Kristy. Maneho ny maha izy azy ny olona iray ny anarany. Andriamanitra no mpamonjy no hevitry ny anarana hoe Jesoa. Ilay voahosotra kosa no dikan'ny hoe Kristy. I Jesoa, ilay zanaka lahitokan'Andriamanitra, naterak'i Maria virijina no hany tokana voahosotr' Andriamanitra hamonjy Ìzao tontolo izao tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazofíjaliana.

2~ Nv fiaviany:
Avy anv an-danitra Izy. Mazava nv fanambaran'nv Soratra Masina. Avv any an-danitra no iandrasantsika Mpamonjy mba hahitan'izao tonlolo izao Azy (cf Apo 1.7). Izany dia midika fa tsy misy afa-tsy i Jesoa niakatra ho any an-danítra ihany no hidina indray amin'ny andro farany.

3- Izay ho ataonv:
Hitondra fanovàna. Voalohany indrindra amin'izany ny hanovàny ny tenantsika sy ny toetsika hanana voninahitra mitovy amin'ny Azy mba hahafahantsika miara-belona sy mitoetra miaraka Aminy mandrakizay (jereo Jao 14,1-3)

Fanontaniana:
Mahafeno ireo fepetra ireo ve izay mìtonon-tena fa Jesoa Kristy renao ankehitriny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12