samedi 4 novembre 2017

Sabotsy 04 Novambra 2017 - Eks 19 : 9 - 25

9Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona19.9 rahona: jereo 13.21 sy nta. matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany.
Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany. 11Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO. 12Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty. 13Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany19.13 ny olona sasany: jereo 24.1, 9-11 –And 12-13: jereo Heb 12.18-20..

14Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo. 15Ary hoy izy taminy:
–Miomàna ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

16Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra19.16 kotro-baratra sy tselatra: jereo Apôk 4.5. –rahona: jereo 13.21 sy nta.. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby. 17Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo. 19Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka. 20Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy. 21Ary hoy ny TOMPO taminy:
–Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy. 22Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

23Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO:
–Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy.

24Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharôna. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra atỳ amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

25Dia nidina nankeo amin'ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.


Izay takiana amin'ny olona te-hihaona amin'ny Tompo

Fihaonana amin'Ilay Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka ny fihaonana amin'Andriamanitra. Ho mari-panajana Azy dia takiana amin'izav te-hihaona Aminy ny:

1- Fahamasinana (and 10)
Fanokanana, fanavahana no hevitry ny teny fanamasinana. Navahan'ny Tompo tao anatin'ny maro nv mpino ka mila mitandro izany fanavahana azy izany mandrakariva mba hahazoany mifandray sy mihaona aminTlay mpaniraka sy ahafahany mijoro ho vavolombelony rahateo.

2- Fahadiovana (and 14)
Azo raisina ara-bakitenv ho ny íanadiovana ny fitaííana ny fanirahana ny ZanakTsraely hanasa ny fitafiany eto, mialoha ny fihaonana amin'ny Tompo. Fihaonan'ny Tompo sy mpanompo rahateo izao ka mari-panajana ny fanaovana fitafiana madio. Kanefa koa dia azo lazaina fa íìtaomana ny olona hananana ny fahadiovam-po sv fanahy mialoha ny fihaonana amin'ny Tompo (Mat 5.S).

3- Fanarahana toro-lalana
Misv toro-lalana sv fepetra maro samihafa omena nj' Zanak'Israely hahatomombana tsara nv fihaonana amin'ny Tompo(and 12-13; 21-25). Ny fanarahana an-tsakany sy andavany izany no mahalavorary ny fihaonana ainin'izy Tompo. Jesoa no fahatanterahan'ny Laíàna sy ny fepetra ahazoana manatona sv mihaona amin'Andriamanitra Ray.

Fanontaniana:
Mahatsiaro ho tafahoana amin'ny Tompo tokoa ve ianao rehefa mivavaka na miangona?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12