mardi 7 novembre 2017

Talata 07 Novambra 2017 - Mat 25 : 1 - 13

1Amin'izay ny Fanjakàn'ny lanitra* dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanàlany ka lasa hitsena ny mpampakatra. 2Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry. 3Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika; 4fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika. 5Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.

6Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!» 7Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany. 8Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: «Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.» 9Dia novalian'ny hendry hoe: «Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.» 10Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana. 11Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: «Tompoko, tompoko, vohay izahay!» 12Fa novalian'ny mpampakatra hoe: «Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.»

13Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Miambena àry ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

Aza ho isan'izay adala

Fanoharana efa diso fantatry ny maro loatra ny amin'ny virijina folo. Fampitandremana mba tsy ho tahaka ireo virjina dimy adala no hafatry ny Tompo aminlsika. Aza ho isan'izay mpino adala fa:

1- Mivonòna mandrakariva amin'nv fíhavian'ny Tompo
Tsy fantatra tahaka ny hiavin'ny mpampaka-bady ny hìavin'ny Tompo. Tsy mba manavaka ny Tompo. Samy tiany hanam-pifaliana ao amin'ny fanjakany avokoa ny olona rehetra. Miankina amin'ny Fiomanana sy ny fahavononan'ny tsirairay kosa anefa ny ananany anjara amin'izany na tsia. Endriky ny tsy fahalavorarian'ny fiomanana ny tsy fahampian'ny solika teo amin'ireo dimy adala (and3).

2- Aza misaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra
Ny lesoka teo amin'ireo virjina dimy adala dia ny tsy fahampian'ny solika iandrasana ny fíavin'ny mpampakatra sy hanazavana ny alina. Nanampy trotraka izany ny tsy fíandrasany ny toro-hevitry ny mpampakatra. Mpino miandry ny fiavian'ny Tompo isika ka mila manana hatrany ny Tenin'Andriamanitra izay fanilon'ny tongotsika sy fanazavana ny lalantsika (cf Sal 119,105). Mihalevona ny finoana ary tsy ampy iandrasana ny fiavin'ny Tompo raha toa ka tsy tezaina sy hampitomboina amin'ny alalan'ny fìainana ny tenin'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Mahavaky Baiboly isan'andro ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12