vendredi 10 novembre 2017

Zoma 10 Novambra 2017 - Mat 6 : 1- 15

1–Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra.

2Koa rehefa manao fiantrana ianao, aza dia antsoantsoina ho ren'ny tany ama-monina, sahala amin'ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy any amin'ny sinagôga* sy eny an-dalambe, mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 3Fa ianao kosa, rehefa manao fiantrana, aoka na dia ny olona sakaizanao indrindra aza tsy hahalala izay ataonao6.3 aoka... izay ataonao: dkt ara-bakiteny aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana (fomba fiteny izay midika fa tsy misy olona tokony hahalala ny asa soa ataonao afa-tsy Andriamanitra)., 4hany ka miafina no anaovanao ny fiantrànao; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

5–Rehefa mivavaka ianareo, aza mba manahaka ny mpihatsaravelatsihy. Tian-dry zareo ny maka toerana ao amin'ny sinagôga sy eny amin'ny fihaonan-dalana6.5 Amin'ny vanim-potoana raikitra no tsy maintsy anatontosan'ny Jiosy tia vavaka ny tonom-bavaka fanaony, hany ka amin'ireny toerana ampahibemaso ireny no hararaotin'ny sasany hampisehoana fa tena mazoto ara-pivavahana izy. Ampit Lk 18.10-14. raha mivavaka, mba hahitan'ny olona azy. Lazaiko marina aminareo fa efa azony ny valisoany. 6Fa ianao kosa, rehefa mivavaka, midira ao amin'ny efitranonao, hidio ny varavarana, dia mivavaha amin'ny Rainao Izay ao amin'ny miafina; ary ny Rainao Izay mahita ao amin'ny miafina no hamaly soa anao.

7Rehefa mivavaka ianareo, aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy. Heverin'izy ireny fa rehefa maro teny izy, vao henon'Andriamanitra. 8Koa aza mba manahaka azy ianareo, satria fantatry ny Rainareo rahateo ny zavatra ilainareo, alohan'ny hangatahanareo izany aminy. 9Koa mivavaha toy izao6.9 Ny vavaka nampianarin'ny Tompo dia misy fitoviany amin'ny vavaka jiosy (indrindra ilay vavaka mirakitra fankalazana 18) na ny vontoatiny na ny endriny; saingy ny mampiavaka azy dia ny fiantsoana an'Andriamanitra amim-pahatsorana sy ny filaharan'ireo zavatra angatahina. àry ianareo:

«Ry Rainay any an-danitra ô,
hohamasinina anie ny anaranao;
10ho tonga anie ny Fanjakanao;
hatao anie ny sitraponao,
eto an-tany tahaka ny any an-danitra.
11Omeo anay anio ny hanina sahaza anay6.11 sahaza anay: dkt hafa ilainay na ho an'ity andro ity na ho an'ny rahampitso. ,
12avelao ny helokay,
ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;
13aza avela ho azon'ny fakampanahy izahay,
fa manafaha anay amin'ilay Ratsy*!
[Anao ny fanjakana sy ny hery,
Anao ny voninahitra mandrakizay6.13 Anao... mandrakizay: jereo 1 Tan 29.11-13.! *Amen.]

14Eny, raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela anareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra; 15fa raha tsy mamela ny olona kosa ianareo, dia mba tsy hamela ny fahadisoanareo koa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Ny mpanara-dia ny Tompo

Mba hiavahana amin'ny mpivavaka haia, ny mpanara-dia nyTompo dia :

1 - Miasa mangina (and 2-4)
Ampianarin'i Jesoa hanao asa fiantrana isika. Manao izany koa anefa na dia ny tsy mpino aza. Saingy manao izany ho fìlan-dera sy filana sitraka amin'ny olona izy ireny. Ny mifanohitra amin'izany kosa no ampianarin'ny Tompo antsika eto. Asa fìantrana atao amin'nv fitiavana sv ny fanetre-tena ka tsy isehosehoana na itadiavana sitraka amin'ny olona. Tsy miafina amin'Andriatnanitra ny asa soa ataontsika na dia hatao ao amin'ny mangingina sy lavitry ny mason'ny mpitazana aza.

2- Mivavaka mangina fand 5-15)
Toy izany ny koa ny fomba fivavaka sy ny tonom-bavaka atao. Tsy ny físehoana ivelany na ny halavan'ny tonom-bavaka hatao no ilazana fa tena mpivavaka marina isika. Ny vavaka atao amin'ny fanetre-tena sy ny fahatsorana ay tsy miolakolaka no sitrak'Andríamanitra. Ohatra tsara indrindra amin'izany ny vavaka nampianarin'i Jesoa antsika. Asongadin'ny Tompo eto fa zava-dehibe ny fahavononana hamela heloka (and 14-15). Ny fahaizana mamela heloka no mahatsara ny fífandraisantsika amin' Andriamanitra sy amin'ny mpiara-belona amintsika ary amin'ny tenantsika ihany koa.

Fanontaniana
Inona no sakana tsy ahafahanao mamela ny heloky ny hafa?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12