dimanche 26 mars 2017

Alahady 26 Martsa 2017 - II Mpa 22 : 15 - 20

15dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka hoe: 16«Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin'ilay boky novakin'ny mpanjakan'i Joda. 17Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady efa nampanetona srona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no nirehetan'ny fahatezerako tamin'ity tanàna ity, ka tsy mbola itoniany. 18Fa ny mpanjakan'i Joda, izay naniraka anareo hanatona Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao: Ny amin'ny teny izay efa renao, 19dia nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehako, rehefa nihaino izay voalazako momba ny hanjo ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny hanaovana azy ho lao sy ho oha-panozonana; eny, nandriatra fitafiana ianao sady nitomany teo anatrehako, ka dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. 20Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombàm-piadanana, ka tsy hahita maso ny loza rehetra hamelezako an'i Jerosalema.› »

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12