mercredi 1 mars 2017

Alarobia 01 Martsa 2017 - Amo 8 : 1 - 14

1Ary izao indray no nasehon'ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin'ny fahitana: indro nisy voankazo masaka iray harona. 2Dia nanontany ahy Izy hoe:
–Inona no hitanao, ry Hamôsa?

Ka novaliako hoe:
–Voankazo masaka iray harona!

Dia hoy ny TOMPO tamiko:
–Tonga ny farany ho an'ny Israely vahoakako, tsy holeferiko intsony ny fahadisoany.

3Amin'izany andro hiaviako izany,
ireo vehivavy mpihira ao an-dapa
dia hanao hiram-pisaonana.
ho marobe ny faty
ka fahanginana no hanjaka hatraiza hatraiza.
Izaho Tompo ANDRIANANAHARY
no manao izany teny hentitra izany.

4Mihainoa izao ianareo te hitelina ny mahantra
sy te hamongotra ny mpandefitra eto amin'ny tany,
5ka velom-panontaniana anakampo hoe:
Rahoviana no hifarana ny fetin'ny tsinam-bolana
ka hivarotantsika vary?
Rahoviana no hifarana ny sabata*,
mba hanokafantsika ny sompitra?
Hohakelezintsika ny zinga famarana,
hampitombointsika ny vato fandanjana,
mizàna mandainga no hampiasantsika,
6ary hatramin'ny vary loha-kororoka
no hamidintsika.
Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra,
noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.
7Ny TOMPO, Izay reharehan'ny taranak'i Jakôba,
dia nanao fianianana hoe:
«Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay
ny asa ratsy rehetra nataonareo!»
8Noho izany, dia hihorohoro ny tany
ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy;
eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo,
ka hisondrotra sy hietry
tahaka an'i Neily onin'i Ejipta.
9Ny Tompo ANDRIANANAHARY
dia manao teny hentitra hoe:
«Izao no hiseho amin'izany andro izany:
halentiko mitatao vovonana ny masoandro
ary hohamaiziniko antoandro ny tany;
10havadiko ho fisaonana ny fetinareo
ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo;
hosikinako lamba gony ianareo rehetra
sady hosolako loha
ka hataoko tahaka ny olona misaona
zanaka lahitokana;
ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy
no fiafaran'izany.»
11Ny Tompo ANDRIANANAHARY
dia manao teny hentitra hoe:
«Indro avy ny andro
izay handefasako mosary amin'ny tany:
tsy hoe ho mosarena mofo ny olona
na hangetaheta rano
fa haniry mafy handre ny teniko.
12Dia hivezivezy avy any atsimo
ka hatrany andrefana
ary hitotototo avy any avaratra
ka hatrany atsinanana ny olona
mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.
13Amin'izany andro izany, dia ho torana azon'ny hetaheta
ireo tovovavy tsara tarehy mbamin'ny tovolahy.
14Ireo mpianiana amin'ny sampin'i Samaria
sy ireo mpiteny hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Dana!›
na hoe: ‹Velona ny andriamanitrao, ry Beera-Seba...!›
dia ho lavo ka tsy hiarina intsony.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12