mercredi 22 mars 2017

Alarobia 22 Martsa 2017 - I Pet 3 : 8 - 17

8Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena. 9Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa3.9 Ampit Mt 5.44., satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy. 10Fa izao no tenin'ny Soratra Masina*:
          «Izay te hankamamy fiainana
            sy te hahita andro soa,
            aoka izy hitsaha-miteny ratsy
            ary hitsaha-milaza fitaka;
         11aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa,
            aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;
        12satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina
           sy mihaino ny fitarainany,
           fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy

13Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo? 14Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany; 15fa i Kristy* no hajao ho Tompo ao am-ponareo3.15 Raha tàhiny... sambatra: (ampit Mt 5.10. –and 14-15: ampit Is 8.12-13).. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo, 16saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manàna fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo. 17Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12