jeudi 16 mars 2017

Alakamisy 16 Martsa 2017 - Asa 11 : 16 - 29

16Tsaroako tamin'izay ilay tenin'ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa* amin'ny Fanahy Masina.» 17Notoloran'Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an'i Jesoa Kristy* Tompo; koa raha notoloran'Andriamanitra fanomezana mitovy amin'ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an'Andriamanitra?

18Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an'Andriamanitra ka nanao hoe:
–Marina fa nomen'Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin'ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.

19Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian'ny namonoana an'i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin'Andriamanitra afa-tsy tamin'ny Jiosy ihany. 20Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin'ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly* momba an'i Jesoa Tompo. 21Nombàn'ny herin'ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin'ny Tompo.

22Nandre ny lazan'izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an'i Barnabà hankany Antiôkia. 23Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan'Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin'ny Tompo. 24Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin'ny Tompo.

25Ary lasa i Barnabà naka an'i Saoly tany Tarsa. 26Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin'io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra* hoe kristianina.

27Tamin'izany andro izany, dia nisy mpaminany* sasany avy tany Jerosalema nankany Antiôkia. 28Isan'ireo i Hagabo izay notsilovin'ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran'ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin'ny andron'i Klaody amperôra). 29Nanapa-kevitra ny mpianatra tao Antiôkia fa samy hanome araka izay nanambinana azy avy mba halefa hanampiana ireo havana iray finoana nonina tany Jodea.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12