vendredi 3 mars 2017

Zoma 03 Martsa 2017 - Lio 12 : 1 - 12

1Tamin'izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan'i Jesoa hoe:
–Mitandrema tena ianareo amin'ny leviora*n'ny Farisianina* dia ny fihatsarambelatsihy. 2Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra. 3Noho izany, izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava; ary izay nobitsihinareo tao an'efitra mangina dia hantsoantsoina eny an-tampon-trano.

4–Izao no lazaiko aminareo sakaizako: aza matahotra ireo mahafaty ny vatana, kanefa tsy afa-manao mihoatra an'izany. 5Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: matahora an'Andriamanitra Izay manam-pahefana hamarina anareo any amin'ny lohasahan'afo* rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, Izy ihany no atahory.

6Tsy ampahafolon'ny denàry* monja ve no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinon'Andriamanitra izy ireny na iray aza. 7Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany: koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona* koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra*! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga* na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12