samedi 25 mars 2017

Sabotsy 25 Martsa 2017 - Mar 4 : 1 - 9

1Dia nampianatra teo moron'ny farihin'i Galilea indray i Jesoa; ary vahoaka be no nitangorona teo akaikiny, ka voatery niondrana an-tsambokely Izy, dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa terỳ an-tanety amoron'ny farihy. 2Fanoharana* no nampianaran'i Jesoa zavatra maro azy; ary nandritra ny fampianarany no nitenenany taminy hoe:
3–Henoy ange: indro niainga ity mpamafy hamafy voa. 4Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra. 5Ny voa sasany latsaka tamin'ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany; 6saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon'ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina satria tsy namaka lalina. 7Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; ary nitombo ny tsilo ka nangeja ny tsimoka, dia tsy namoa izy. 8Ny voa sasany kosa latsaka tamin'ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.

9Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12