mercredi 29 mars 2017

Alarobia 29 Martsa 2017 - Lio 6 : 41 - 49

41–Nahoana moa ianao no mahita tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 42Ahoana no hahafahanao milaza amin-kavana hoe: «Etsy, rahavako, hoesoriko ny tapak'ahitra amin'ny masonao», nefa ny vatan-kazo amin'ny masonao tsy hitanao akory? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo amin'ny masonao, izay ianao vao hahiratra tsara ka hanaisotra ny tapak'ahitra amin'ny mason-kavana.

43–Tsy mba hazo tsara no hamoa voa ratsy, na hazo ratsy indray no hamoa voa tsara. 44Eny, ny voany no ahafantarana ny hazo isan-karazany; fa foto-tsilo tsy ahazoana voanaviavy, ary foto-droy tsy iotazana voaloboka. 45Koa ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. Fa izay mameno ny fon'ny olona no aloaky ny vavany.

46–Ahoana no iantsoanareo Ahy hoe: «Tompo ô! Tompo ô!» nefa tsy tanterahinareo akory izay lazaiko? 47Izay rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sady manatanteraka, dia hasehoko anareo ny mety hampitahana azy: 48tahaka ny olona manorin-trano ka nihady lalina ary nandatsaka ny fototra am-batolampy; nony tondraka ny rano, dia notonafan'ny riaka ilay trano nefa tsy nihontsona noho izy tsara orina. 49Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manatanteraka, dia tahaka ny olona manorin-trano amin'izao tsy misy fototra; raha vao notonafan'ny riaka ilay trano, dia nirodana avy hatrany ka rava tanteraka.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12