lundi 20 mars 2017

Alatsinainy 20 Martsa 2017 - I Pet 2 : 11 - 17

11Ry hava-malala, amin'ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin'ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny. 12Manàna fitondrantena tsara eo anivon'ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an'Andriamanitra amin'ny andro hiavian'i Kristy*.

13Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin'ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy; 14na ireo mpifehy izany, satria nirahin'ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa. 15Fa izao no sitrapon'Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin'ny asa soa ataonareo. 16Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon'Andriamanitra. 17Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an'Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12