jeudi 30 mars 2017

Alakamisy 30 Martsa 2017 - Deo 31 : 14 - 30

14Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan'ny Tranolay fihaonana* ianareo mba hameperako azy.

Dia nandeha nankeo anoloan'ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa 15ka nisehoan'ny TOMPO tamin'ny andry rahona31.15 Jereo Eks 13.21 sy nta.; ary nijanona teo anoloan'ny varavaran'ny Tranolay izany andry rahona izany. 16Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

–Indro hodimandry any amin'ny razanao ianao; ary ity vahoaka ity kosa hiainga hanompo sampy ka hanaraka andriamani-kafa tompoina any amin'ny tany izay efa hidirany honenana. Hilaozany Aho ary hivadihany ny fanekempihavanana* izay nataoko taminy. 17Dia hirehetan'ny fahatezerako amin'izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon'ny olona levona izy sady hianjadian'ny loza amam-pahoriana maro. Amin'izany andro izany no hitenenan'ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian'izao fahoriana izao!» 18Eny, hafeniko aminy tokoa ny tavako amin'izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony tamin'ny niviliany hanaraka andriamani-kafa. 19Ary ankehitriny, aoka hisy hanoratra izao tononkira hampitaiko aminareo izao31.19 Jereo toko 32.; ka ianao, ry Mosesy, no mampianara azy amin'ny Israelita. Ary aoka tsy ho afaka am-bavan'ny Israelita izany tononkira izany mba ho vavolombelona hiampangako azy. 20Any amin'ny tany izay nampanantenaiko ny razambeny manko, dia ilay tany tondra-dronono sy tantely31.20 Jereo Eks 3.8 sy nta., no hitondrako ity vahoaka ity; ary hanan-kohanina izy ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa sy hanompo azy, ary hotsiratsirainy Aho ka hivadihany ny fanekempihavanana. 21Rehefa hianjadian'ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan'ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan'ny hitondrako azy any amin'ny tany izay nianianako homena azy izao aza.

22Dia nataon'i Mosesy an-tsoratra androtrizay ihany izany tononkira izany ka nampianariny ny Israelita.

23Avy eo dia nofeperan'ny TOMPO i Josoa, zanakalahin'i Nona, ka nilazany hoe:

–Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin'ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao31.23 Jereo Jos 1.6..
24Rehefa voasoratr'i Mosesy tao anaty boky avokoa ny teny raketin'ity Lalàna ity, 25dia nofeperany ny Levita, izay mpitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO ka nataony hoe:
26–Raiso ity bokin'ny Lalàna ity, ka apetraho ao anilan'ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO Andriamanitrareo; ka ho eo hatrany izany boky izany mba ho vavolombelona hiampanga ny Israelita. 27Fantatro fa maditra sy mafy hatoka ireo; izao ankehitriny mbola velona eto aminy izao aza aho, dia efa nikomy tamin'ny TOMPO ireo, ka mainka rehefa maty aho. 28Vorio eto amiko ny loholona* sy mpifehy rehetra isam-poko, mba hilazako mivantana izao teny izao; ary hantsoiko ny tany aman-danitra mba ho vavolombelona aminy. 29Fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba tokoa ny Israelita ka hiala amin'ny sori-dalana izay nasaiko hizorany; dia ho tratry ny loza ireo, any am-parany any, satria hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ireo ka hampahatezitra Azy amin'ny asany.

30Avy eo dia nolazain'i Mosesy mivantana tamin'ny Israelita rehetra tafavondrona teo izao tononkira manontolo izao:

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12