vendredi 17 mars 2017

Zoma 17 Martsa 2017 - Eks 32 : 1 - 14

1Nony hitan'ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan'i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe:
–Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an'i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.

2Fa novalian'i Aharôna hoe:
–Esory ny kavim-bolamena eny an-tsofin'ny vadinareo sy ny zanakalahinareo ary ny zanakavavinareo, ka ento atỳ amiko.

3Dia samy manaisotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny ny Israelita rehetra, ka nitondra ny azy tany amin'i Aharôna. 4Noraisin'i Aharôna ireny ka nempoiny ary nararany tamin'ny lasitra, dia nanaovany sarivongana ombilahikely iray. Dia nihoraka ny Israelita hoe:
–Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!

5Nony hitan'i Aharôna izany, dia namboatra alitara* iray teo anoloan'ny sarivongana izy, ary nanambara hoe:
–Hisy fety hanomezam-boninahitra ny TOMPO rahampitso!

6Nony ampitso dia nifoha maraina ny vahoaka israelita ka nanolotra sorona* dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin'io alitara io. Ary nipetraka hihinana sy hisotro ny vahoaka, ary avy eo dia nitsangana mba hifalifaly.

7Dia nilaza tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe:
–Andeha midina izao ianao, fa efa nanao heloka bevava ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta. 8Nalaky nivily hiala tamin'ny lalana izay nasaiko nalehany izy, fa nanamboatra sarivongana ombilahikely ho azy, sady niankohoka taminy ary nanao sorona ho azy. Nilaza aza izy hoe: «Ity no andriamanitsika izay namoaka antsika hiala tany Ejipta!» 9Ary hoy Izaho TOMPO taminao: «Hitako tsara io vahoaka io fa mafy hatoka. 10Koa ankehitriny, avelao hanaovako azy: haringako amin'ny fahatezerako izy, fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.»

11Fa niangavy ny TOMPO Andriamaniny i Mosesy mba ho tony ka nanao hoe:
–TOMPO ô, nahoana no hanampatra ny fahatezeranao amin'ny vahoakanao Ianao, rehefa avy nampiasa hery lehibe sy fahefana tsy hay tohaina mba hamoaka azy hiala tany Ejipta? 12Raha izany no hataonao, dia hiteny ny Ejiptianina hoe: «Halozana no namoahan'ny Tompo ireo Israelita ireo hiala ny tanintsika, mba handringanany azy any an-tendrombohitra, ary hanafoanany azy tsy ho eto ambonin'ny tany intsony.» TOMPO ô, toneo ny hatezeranao, ary avelao ny loza saika hamelezanao ny vahoakanao. 13Tsarovy i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba mpanomponao izay nianiananao ka nilazanao hoe: «Hataoko marobe toy ny kintana eny amin'ny habakabaka ny taranakareo. Homeko azy ny tany rehetra izay nampanantenaiko, ka ho fananany raikitra izany.»

14Dia najanon'ny TOMPO tamin'izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12