mercredi 8 mars 2017

Alarobia 08 Martsa 2017 - Deo 8 : 1 - 6

1Ny didy izay ampitaiko aminareo anio dia imasoy avokoa ny hanatanteraka azy, mba ho velona ianareo sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay tamim-pianianana no nampanantenan'ny TOMPO azy ny razambenareo. 2Tsarovy avokoa ny lalana izay nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo halehanareo tatỳ an-taniefitra, nandritra izay efapolo taona izay, mba hampanetry tena anareo; nizaha toetra anareo Izy tamin'izany mba hahalalany izay ao am-ponareo na hitandrina ny didiny ianareo na tsia. 3Rehefa nampanetry tena sy namela anareo ho noana Izy, dia namahana anareo tamin'ny mana* izay hanina tsy fantatrareo na ny razanareo; tiany hampahalalaina anareo manko fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay teny rehetra aloaky ny vavan'ny TOMPO. 4Ny fitafianareo tsy rovitra, ny tongotrareo tsy mivonto, nandritra izay efapolo taona izay. 5Dia hoekenareo ao am-ponareo fa tahaka ny anabeazan'ny raim-pianakaviana ireo zanany no nanabeazan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo; 6ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin'ny lalany sy hanajanareo Azy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12