lundi 27 mars 2017

Alatsinainy 27 Martsa 2017 - Deo 29 : 13 - 28

13Tsy aminareo ihany no ataoko manankery izao fanekempihavanana arahim-pianianana izao; 14eny, tsy an'izay olona tafaraka etoana manatrika ny TOMPO Andriamanitsika ihany izao fanekempihavanana izao fa ho an'izay taranaka amam-para tsy mbola tafaraka amintsika anio koa.

15Fantatrareo izay nitoerantsika tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin'ireo hafa firenena; 16ary efa hitanareo ny zava-maharikoriko misy eo aminy, dia ny sampy vita hazo na vato na volafotsy na volamena. 17Koa aoka tsy hisy aminareo, lahy na vavy, na fianakaviana na foko, hanana fo mivily anio ka hiala amin'ny TOMPO Andriamanitsika mba handeha hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; aoka tsy hisy aminareo ho tahaka ny fakan-javamaniry miteraka poizina mangidy29.17 Jereo Heb 12.15.. 18Raha olona mandre izao tenim-pianianana izao no mihevi-tena ho ambinina ka hanao hoe: «Hanam-piadanana ihany aho, na manaraka ny ditram-poko aza; sady tany dibo-drano, tsy mba mangetaheta intsony29.18 sady tany... intsony: tsy mazava ny RM ary tsy azo antoka ny dkt.!», 19dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran'ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'ny TOMPO tsy ho eo amin'izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy. 20Dia havahan'ny TOMPO tsy ho anisan'ny foko israelita rehetra intsony izy; ary ho loza ho azy izany, araka ny ozona rehetra izay raketin'ny fanekempihavanana voasoratra amin'ity bokin'ny Lalàna ity.

21Rehefa mahita ny voina sy loza hamelezan'ny TOMPO ity taninareo ity ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay handimby anareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra, dia ho loa-bolana hoe: 22«Main'ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an'i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan'ny TOMPO satria nirehetan'ny fahatezerany29.22 Jereo Gen 19.24-25.». 23Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitr'izao fahatezerany mirehitra mafy izao?» 24Dia hovalian'ny olona hoe: «Tonga izao satria nafoin'izany vahoaka izany ny fanekempihavanana* nataon'ny TOMPO, dia ilay Andriamanitry ny razambeny. Nanao fanekempihavanana taminy tokoa manko ny TOMPO fony nampiala azy tany Ejipta; 25kanjo nandeha nanompo andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehan'ireny andriamanitra tsy fantany sady tsy navela hotompoiny ireny. 26Dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'ny TOMPO, ka nataony tonga taminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity; 27eny, fahatezerana mirehitra mafy tokoa no nandroahan'ny TOMPO azy sy nanilihany azy any an-tany hafa, tahaka ny misy azy ankehitriny izao.»

28Anjaran'ny TOMPO Andriamanitsika ny mahafantatra ny zava-miafina. Ny tenantsika sy ny taranatsika hatrany hatrany kosa no mahafantatra ny zavatra ambarany, mba hanatanterahantsika ny didy rehetra raketin'ity Lalàna ity.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12