lundi 13 mars 2017

Alatsinainy 13 Martsa 2017 - I Jao 2 : 12 - 17

12Izao no soratako ho anareo rankizy: «Voavela ny fahotanareo noho ny anaran'i Kristy!» 13Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo!» Izao no soratako ho anareo zatovo: «Efa naharesy ilay Ratsy* ianareo!»

14Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»

15Aza mankamamy an'izao tontolo izao*, na ny zavatra izay ao amin'izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an'izao tontolo izao, dia tsy ao anatin'izany olona izany ny fitiavana ny Ray. 16Satria ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao, izany hoe ny filàndratsin'ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao. 17Mandalo izao tontolo izao sy ny filàndratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12