mardi 7 mars 2017

Talata 07 Martsa 2017 - Lio 3 : 7 - 14

7Toy izao àry no tenin'i Jôhany tamin'ny vahoaka nidodododo hataony batisa*:
–Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba tsy ho tratry ny fahatezeran'Andriamanitra izay efa antomotra? 8Asehoy amin'ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an'i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain'Andriamanitra ny manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto. 9Indro efa eo am-poto-kazo rahateo ny famaky: koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara, dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.

10Ary hoy ny vahoaka nanontany an'i Jôhany hoe:
–Inona àry no tokony hataonay?

11Dia novaliany hoe:
–Izay manana akanjo roa, aoka hizara amin'izay tsy manana; ary izay manan-kohanina, aoka hanao toy izany koa.

12Mba nisy koa mpamory hetra* tonga hatao batisa ka niteny tamin'i Jôhany hoe:
–Mpampianatra ô, inona no tokony hataonay?

13Dia novaliany hoe:
–Aza mitaky mihoatra noho izay voafetra halainareo.

14Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe:
–Mba inona kosa no tokony hataonay?

Dia hoy izy taminy:
–Aza maka zavatr'olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin'ny karamanareo.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12