dimanche 14 janvier 2018

Alahady 14 Janoary 2018 - Mar 1 : 21 - 28

21Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin'ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin'ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao. 22Talanjona ny olona nihaino ny fampianarany, satria nampianatra azy tamin-pahefana i Jesoa, fa tsy tahaka ireo mpahay lalàna. 23Tamin'izay indrindra, tao amin'ny sinagôgan-dry zareo, dia nisy lehilahy azon'ny fanahy maloto 24ka niantsoantso mafy hoe:
–Fa hataonao inona izahay, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga handringana anay ve Ianao? Fantatro anie fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra e!

25Notenenin'i Jesoa mafy kosa ilay fanahy maloto ka nataony hoe:
–Mangina, ary mialà amin-dralehilahy io.

26Dia nampifanintontsintona an-dralehilahy ny fanahy maloto ary nikiakiaka sady niala taminy.

27Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe:
–Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon'ity olona ity ka manaiky Azy!

28Ary poatoizay dia niely eran'ny faritany Galilea manontolo ny lazan'i Jesoa.

Mpampianatra manana fahefana i Jesoa

1- Miavaka noho nv an'nv hafa nv fampianaranv
Tokony ho tamin'ny andron'i Ezra no naorina ny Synagoga, hihainoana ny fanazavana ny Soratra Masina. Saika ny tanàna lehibebe misy fianakaviana mihoatra ny folo no nanorenana izany. Tsy nisy mpampianatra tamin'ny Synagoga sasany, ka izay mpampianatra sendra nandalo dia niangaviana mba hampianatra ao. Nandalo tao Kapemaomy i Jesoa indray Sabata. Niavaka ny fampianarany ka talanjona ny olona, satria fampianarana misy fahefana ! Ny mpanora- dalàna sasany rehefa nampianatra dia saiky mitanisa ny tenin'ireo Raby malaza fotsiny; Tenin'Andriamanitra marina misy fahefana kosa no nohazavain'i Jesoa. Raiso ho antsika izany, ka omeo lanja ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny fiangonana sy ny toriteny fa tsy ny tenin'olo- malaza na fahalalana tsara lahatra. Raiso sy ifotory ny Tenin' Andriamanitra, dia hiseho ny fahefan'i Kristy ao amin'ny fiangonany, ary ho hitantsika }» ho talanjona izay rehetra mihaino ny Fiangonana.

2- Miseho amin'ny asa nv fahefanv
Fampianarana nahatalanjona ny mpihaino, noho ny fahefana nananany no nataon i Jesoa (and. 22). Io hery sy fahefan'ny Teniny io dia nasehony tamin'ny asa, ka rehefa niteny mafy ny fanahy maloto Izv, dia nanaiky Azy izanv ary niala tamin- dralehilahy (and.25.26). Miseho amin'ny asa ny hery sy ny fahefan'ny Tenin'ny Tompo, ary fahefana mandresy ny ratsy. Hain'ny tenin'Andriamanitra resena ihany koa ny ratsy eo amintsika rehefa mandray ny manaiky ary mino izany isika.

Fanontaniana:
Ny vavaka ve sa ny Tenin'Andriamanitra no omen'ny mpino lanja sy mibahan-toerana kokoa eo amin'ny fiainany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12