mercredi 3 janvier 2018

Alarobia 03 Janoary 2018 - Apo 11 : 15 - 19

15Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan'ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin'izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany11.15 Ampit Eks 15.18; Dan 2.44; 7.14, 27.!» 16Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an'Andriamanitra 17sady nanao hoe:

«Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha,
Ilay ankehitriny sy taloha,
noho Ianao naneho ny herinao lehibe
ary noho Ianao efa manjaka.
18Tezitra ireo firenena,
kanefa tonga ny fahatezeranao
sy ny fotoana hitsaranao ny maty;
tonga ny fotoana hanomezanao valisoa
ny mpaminany mpanomponao
sy ny vahoakanao
mbamin'ireo manaja Anao, na kely na lehibe;
tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany11.18 Ampit Sal 2.1, 5; 115.12-13..»

19Dia novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin'ny tempolin'Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin'ny havandra vaventy.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12