samedi 13 janvier 2018

Sabotsy 13 Janoary 2018 - Neh 1 : 4 - 11

4Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5ka nanao hoe:

–Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin'izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; 6koa enga anie Ianao hihaino sy hijery ahy! Ekeo ny vavaka izay ataoko aminao ankehitriny fa mpanomponao aho. Andro aman'alina aho no mivavaka aminao ho anay Israelita mpanomponao; avelao heloka izahay fa miaiky ny fahotana nataonay taminao aho. Eny, izaho sy ny razako samy efa nanota avokoa; 7efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, ka tsy nitandrina ny didy sy lalàna amam-pitsipika nampitainao tamin'i Mosesy mpanomponao. 8Tsarovy ilay teny nasainao nolazain'i Mosesy mpanomponao hoe: «Raha manao izay mahadiso ianareo, dia haeliko any amin'ny firenen-kafa1.8 Jereo Lev 26.33; Deot 4.27; 28.64; 9nefa raha miverina amiko ianareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiko, na dia hisy voasesy any am-paran'ny tany aza ianareo, dia hangoniko avy any sy hoentiko ho ao amin'ilay toerana voafidiko hiatrehanareo Ahy1.9 Tsy rijan-teny anankiray ao amin'ny Pentateoka no tsiahivina ara-bakiteny eto amin'ny and 8b-9; kanefa hevitra mitovy amin'izany no ambaran'ny Deot 30.1-5..» 10Tompo ô, mpanomponao sy vahoakanao izahay sady efa navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny fahefànao tsy hay tohaina. 11Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon'ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason'ny amperôra!

Mpandroso divay ho an'ny amperôra aho tamin'izay.


Andriamanitra lehibe sy matahotra ny Tompo

1- Mihaino izav mivavaka Aminv lzv
Nalahelo mafy sy nitomany i Nehemia ka nivavaka sy nitady hanina (and.4 sy and.ll), raha nandre ny fahoriana sy fahavoazan'ny olona nody avy tamin'ny fahababoana. Tsy mba anisan'ireo nody mantsy izy, satria Mpiasa tao andapan'nv Mpanjaka persiana. Fantany fa Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ny Tompo; nefa na eo aza ny fahalehibeazany dia Andriamanitra mihaino koa Izy. Io fihainoan'nv Tompo io no mampiavaka Azy amin'nv andriamanitra rehetra izay ivavahan'ny olona. Andriamanitra velona ny Tompontsika, sady miteny no mihaino. Izany no tsy isalasalantsika hitaraina sy hitalaho Aminy, raha tojo zava- mampalahelo tahaka izao atrehin'i Nehemia izao. Andeha mba hitaraina amin-dranomaso noho ny fahantrain'ny mpiara- belona amintsika sy ny manjo ny firenentsika isika. Fa na dia lehibe aza ny Tompontsika dia tena mihaino Izy. Nivavaka Taminv i Jesoa fony Izy tetv an-tanv sady nampianatra antsika hivavaka. Koa mivavaha sy mitalahoa Aminy.

2- Ampahatsiarovy ny teny nataony Izy
« Hotsarovao anie ilay teny... » (and.8). Tena ilaina hampahatsiarovina ny teny nataony ve ny Tompo ? Tsarovany mandrakizay tokoa ny fanekena sy ny teny nataony (Sal 111, 5), saingy ny vavaka atao amin'ny finoana dia izay angatahina sady mifandraika amin'ny efa nolazainy sy nampanantenainy. Izany no antso nataon'i Isaia : «Ianareo mparnpahatsiaro an 'i Jehovah, aza mangina !» (Isa 62, 6). Ampahatsiarovy ny teny efa nataony taminao ny Tompo fa hamaly anao Izy.

Fanontaniana:
Nahoana no mivavaka sy manantena valim-bavaka isika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12