vendredi 12 janvier 2018

Zoma 12 Janoary 2018 - Apo 19 : 11 - 16

11Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany19.11 Ampit Ezek 1.1; Sal 96.13; Is 11.4.. 12Tahaka ny lelafo ny masony; ary satroboninahitra maro no teo an-dohany. Izy dia manana anarana anankiray voasoratra, izay tsy nisy nahalala afa-tsy ny tenany ihany. 13Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin'Andriamanitra.» 14Nanaraka Azy ny tafiky ny lanitra, ka samy nitaingina soavaly fotsy sy nitafy lamba rongony madinika sady fotsy no madio. 15Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin'ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran'Andriamanitra Tsitoha19.15 Ampit Sal 2.9; Apôk 14.19-20 sy nta.. 16Ary izao no anarana voasoratra teo amin'ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo.»

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12