samedi 27 janvier 2018

Sabotsy 27 Janoary 2017 - Isa 45 : 1 - 5

1Izao no lazain'ny TOMPO
amin'ilay nohosorany45.1 Ilay nohosorany na ilay Mesiany*: i Kirôsa mpanjakan'i Persia eto dia mandray anaram-boninahitra mitovy amin'ny mpanjakan'i Joda (Sal 2.2; 18.51); ampit 44.28a., dia i Kirôsa:
«Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa
sy hanaisotra ny fahefàn'ny mpanjaka
ka hivoha eo anatrehanao
ireo vavahadin'ny tanàna nihidy.
2Izaho mihitsy no handeha eo anoloanao
mba handravona ny mikitoantoana
sy hanamontsana ny varavarana varahina
ary hanapatapaka ny hidy vy.
3Homeko anao ny raki-tsoany
napetrany tao amin'ny toerana maizina
sy ny harena nafeniny ao amin'ny mangingina,
mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO
Izay miantso anao amin'ny anaranao;
Izaho no Andriamanitr'i Israely.
4Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakôba mpanompoko
sy ny vahoaka Israely voafidiko
no niantsoako anao tamin'ny anaranao;
ary nomeko izany laza izany ianao,
na dia tsy mahalala Ahy akory aza.
5Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa;
tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Nampisikiniko hery ianao hiasa
na dia tsy mahalala Ahy akory aza,

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Andriamanitra no Mpamorona ny zavatra rehetra, Izy koa no Tompon'ny fahefana amin'ny firenena rehetra. Noho izany:

1- Izy no manome fahefana nv olona izay antsoinv
Kyrosy dia mpanjaka jentilisa, izay voalaza fa tsy nahalala an' i Jehovah akorv, nefa dia nofidin'Andriamanitra sy nirahiny. Mampiseho amintsika izany fa tsy miankina amin'ny izay mety ho fahalalan'ny olona na ny fankatoavan'ny olona an'Andriamanitra ny fiantsoana. "...Ary nomeko izany laza izany ianao na dia tsy nahafantatra Ahy aza."(and.4b). Fahefana avy Aminy ny mifidy sy manendry olona ho amin'ny andraikitra iray sy mampahomby azy amin'izay rehetra ataony. Amin'izany dia Izy mihitsy no mialoha làlana amin'ny fanatanterahana ny iraka ampanaoviny. "Tohanako ianao mba handresy firenen-kafa ... Izaho mihitsy no handeha anoloanao" (and.l, 2a) (DIEM)

2- Izy no manafaka nv olonv
Misy antony sy dikany avokoa izay rehetra ataon'ny Tompo. Nomeny fahefana i Kyrosy mpanjakan'i Persia ka tonga mpandresy. Io fandreseny io no miantoka ny fanafahana ny vahoakan'Israely. "Noho ny fitiavako ny firenen'i Jakoba mpanompoko sy ny vahoaka Israely voafidiko no niatsoako anao tamin 'ny anaranao... " (and.4-DIEM). Eo am-pelatanan'ny Tompontsika avokoa ny fahefana rehetra. Tsy misy mahasakana izay tiany hatao ho fanafahany sy fanavotany antsika.

Fanontaniana:
Nahoana no omen'ny Tompo fahefana ny mpitondra ratsy fanahy?


Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12