mardi 2 janvier 2018

Talata 02 Janoary 2018 - Mar 4 : 35 - 42

35Ny harivan'iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Andeha isika hankerỳ ampita!

36Ary rehefa avy nandefa ny vahoaka ny mpianatra, dia nitondra an'i Jesoa tamin'ilay sambokely efa nisy Azy rahateo. Nisy sambokely maro hafa koa tafaraka taminy. 37Ary indro nisy tafio-drivotra mahery ka tafiditry ny alon-drano hatrany anaty sambokely, ary efa nila ho feno rano ny sambokely.

38I Jesoa anefa natory teo amin'ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin'ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
–Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?

39Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra ary nanao tamin'ny farihy hoe:
–Mangîna! Mitonia!

Dia nitsahatra ny rivotra ary nanjary tony dia tony ny andro. 40Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany:
–Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana angaha ianareo?

41Ary natahotra dia natahotra tokoa iretsy mpianany, ka nifampilaza hoe:
–Fa iza àry io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy4.41 Ampit Sal 65.8; 89.10; 107.23-32.?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12