dimanche 28 janvier 2018

Alahady 28 Janoary 2018 - Lev 14 : 1 - 9

1Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

2«Ireto no fepetra momba ny marary hoditra, amin'ny andro fanadiovana azy. Hoentina any amin'ny mpisorona ilay marary hoditra14.2 Jereo Mt 8.4; Mk 1.44; Lk 5.14; 17-14., 3dia hivoaka ny toby kosa ny mpisorona mba hizaha azy. Raha hitany fa sitrana ny aretin'ilay marary hoditra, 4dia vorona anankiroa velona sady madio sy hazo sedera ary lamba jaky sy rantsana hisôpa no hasain'ny mpisorona halaina ho an'ilay hodiovina. 5Ny vorona anankiray dia hampamonoin'ny mpisorona eo ambony vilany tanimanga nasiana rano avy amina loharano; 6fa halainy kosa ny vorona faharoa, ka hatsobony miaraka amin'ny hazo sedera sy ny lamba jaky ary ny rantsana hisôpa ao anatin'ny ran'ilay vorona novonoina. 7Dia hofafazana impito amin'izany ra izany ilay diovina ho afaka amin'ny aretin-kodiny, ka hambaran'ny mpisorona hoe madio ilay olona; ary halefany hisidina any an-tsaha ilay vorona velona. 8Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin'ny tenany ary handro amin'ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian'izany, kanefa hitoetra eo ivelan'ny tranolainy mandritra ny fito andro. 9Amin'ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin'ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin'ny rano, dia hadio.

Mihevitra manokana ny marary ny Tompo

Teo amin'ny Israely dia ninoan'ny ankamaroan'ny olona fa endrika isehoan'ny famaizan'Andriamanitra ny aretina, isan'izany ny habokana. Noheverina ho maloto ara- pivavahana ny olona voan'izany ka natokana sy tsy navela hifangaro amin'ny vahoaka. Mampalahelo fa voahilikilika sy natoka-monina ireny olona ireny. Mihevitra manokana azy ireny ny Tompo ka manome andraikitra:

1- Nv andraikitry ny mpisorona (and.2-7)
Na dia tsy dokotera aza ny mpisorona dia manana andraikitra amin'ny marary mba hizaha sy hamantatra ny karazan'aretina misy sy ny fivoaranv. Ankinin'ny Tompo amintsika Fiangonana ny fijerena manokana ireny marary izay tsy mba afaka mamonjy fotoam-bavaka ireny noho ny toetr'aretiny. llaina izanv mba hiarovana ny fiparitahan'ny aretina amin'ny manodidina. Tsarovy fa nitondra ny aretintsika tokoa Izy.(Isa 53. 4)

2- Nvy andraikitry ny marary (and.8,9)
Mila mikarakara tena koa ny marary (ilay hodiovina), "...ka hanasa nv fìtafiany sy hanaratra nv volon-dohany rehetra ary handro amin'ny rano ka hadio izy"(and.8,9). Tsy tokony. hihevitra ny tenany ho enta-mavesatra mandrakariva ny marary. Fa hanao izay azony atao kosa izy mba ho fifanampiana amin'ny mpitsabo sy ny mpikarakara. Ilaina ny fahadiovana sy ny fidiovana araka izay azony atao. fa tsy hiandry fotsiny.

Fanontaniana:
Inona no andraikitry ny Fiangonana manoloana ny VIH/SIDA?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12