mercredi 17 janvier 2018

Alarobia 17 Janoary 2018 - Mar 9 : 19 - 27

19Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka:
–Karazan'olona tsy mino ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!

20Dia nentiny teo aminy izy. Raha vao nahita an'i Jesoa ilay fanahy, dia nataony mifanintontsintona ilay zaza ka nianjera tamin'ny tany ary niolanolana sy nandoa vory.

21Ary nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa hoe:
–Hatramin'ny oviana izao?

Dia hoy ny rainy:
–Hatramin'ny fahakeliny. 22Ary matetika izy no nazeran'io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!

23Fa hoy ny navalin'i Jesoa azy:
–Raha misy efako hoe? Tsy misy tsy efan'izay mino!

24Avy hatrany ilay rain'ilay zaza dia niantsoantso mafy nanao hoe:
–Mino aho, nefa vonjeo fa tsy ampy finoana.

25Nahita ny vahoaka nitangorona teo i Jesoa, dia niteny mafy ilay fanahy maloto nanao hoe:
–Mandidy anao Aho, ry fanahy mampahamoana sady mamparenina, mialà amin'io zaza io ary aza miverina ao aminy intsony!

26Dia ninananana ilay fanahy sady nampifanintontsintona mafy ny zaza no niala taminy. Nitsitra toy ny maty ilay zaza ka nataon'ny maro hoe maty. 27Fa noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay zaza hanarenany azy; dia tafatsangana tokoa izy.

Manana fahefana hahasitrana nyaretina rehetra ny Tompo

Nisv olona nitondra nv zanany azom-panahy moana sy marenina teo amin'ny mpianatra mba hositranina, nefa dia nahagaga fa tsy nahasitrana azy ireo. Nambaran'ny rain'ilay marary tamin'i Jesoa izany toe-javatra izany. Ary dia nositranin'i Jesoa ny marary ka sitrana tokoa. Manapaka amin'ny fahelany ny Tompo ka afaka manasitrana na dia izay aretina tsy hain'ny olona sitranina aza :

1- Aretina ara-nofo
Zava-dehibe ho an'ny marary sy ny fianakavian'ny marary ny hahazoana fahasitranana. Ary izany no mahatonga antsika tsy hitandro vola aman-karena, mivezivezy mitety toeram-pitsaboana samy hafa: eny tonga hatrany amin'ny mpimasy sy ny mpisikidy aza nv mpivavaka sasany.... Tsotra ny Tenin'i Jesoa: "Ento ety amiko izy!"(and 19d). Ento ho eo amin'i Jesoa ny aretinao rehetra, ento ho eo Aminy ny marary. manana fahelana hahasitrana Izy.

2- Aretina ara-panahv
Ny aretin-janany no nahatonga an-dralehilahy hanatona an'i Jesoa. Kanefa rehefa tonga teo aminy Jesoa dia hita fa samy narary izv mianaka. ary ny aretin'ny rainy aza no ratsiratsy kokoa. Tsv inona izany fa ny tsy finoana. Izany indrindra no mahatonga an'i Jesoa hiteny hoe: "Ry taranaka tsy mino!"(and. 19): ny zavatra rehetra dia hain'ny mino" (and.23)". Nalahelo mafv noho nv tsy finoany ilav lehilahy ka nangataka tamin'i Jesoa nanao hoe: "Vonjeo aho ho afaka amin 'ny tsy finoako "(and.24). lanao koa. minoa an'i Jesoa, dia hovonjena ianao sv nv ankohonanao!

Fanontaniana:
Moa misy aretina tsy hain'ny Tompo sitranina ve?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12