lundi 1 janvier 2018

Alatsinainy 01 Janoary 2018 - Gen 28 : 10 - 17

10Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna. 11Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo. 12Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy28.12 Ampit Jôh 1.51..

13Ary niseho teo anoloan'i Jakôba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe:
–Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehàka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao28.13 teo anoloan'i Jakôba: dkt hafa teo an-tampon'ilay tohatra. –Ny tany nampanantenaina: jereo Gen 13.14-15.. 14Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany28.14 Amin'ny alalanao...: jereo Gen 12.3. sy nta.. 15Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.

16Taitra tamin'ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe:
–Tena eto amin'ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.

17Ary natahotra izy ka nanao hoe:
–Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12