samedi 20 janvier 2018

Sabotsy 20 Janoary 2018 - Amo 5 : 21 - 17

21«Hàlako, maharikoriko Ahy ny fety fivahiniananareo;
ary tsy sitrako ny fivoriam-pivavahanareo.
22Na dia anateranareo sorona dorana manontolo
sy fanatitra hohanina aza Aho,
dia tsy hankasitrahiko izany;
ary tsy hojereko akory ny zanak'omby matavy
aterinareo ho sorom-pihavanana5.22 and 21-22: ampit Is 1.11-14..
23Halaviro Ahy ny finaonaonan'ny hiranareo;
tsy tiako hohenoina ny feon-dokanganareo.
24Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano
ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!
25Ry taranak'i Israely,
moa nanolotra sorona sy fanatitra ho Ahy ve ianareo
nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?
26Ary nentinareo ve ny sarin'i Sikota, ilay sampy mpanjakanareo,
sy ny sarin'i Kiona5.26 Ary nentinareo ve...: misy mihevitra hoe Raha izany àry dia hoentinareo (any am-pahababoana)... –i Sakota sy i Kevàna: andriamanitry ny Asirianina; ny mpandika sora-tanana hebreo dia ninia nandiso ny fanonona ireo anarana roa ireo raha nanome azy ireo ny zana-tsoratry ny teny hoe siqqous (mahatsiravina); izany no niavian'ny dika soratra mahazatra Sikota sy Kiona. –Ny and 25-27 dia tanisaina ao amin'ny Asa 7.42-43 saingy araka ny dkt tranainy grika., ilay kintana andriamanitrareo,
izay samy sary nataonareo ho anareo? Tsia!
27Koa halefako ho babo any ambadika lavitr'i Damasy ianareo.
Izaho TOMPO no miteny izany;
ilay Andriamanitr'izao rehetra izao no anarako.»

Manaova fanoinpoam-pivavahana ankasitrahana

Teto dia tena nandroso ny fari-piainan'ny Israely, mandroso ny lafiny ara-toe-karena; miraondraona ery ny hira sy ny feon-dokanga raha mivavaka. eo koa ny fanaovana sorona sy fanatitra.Tsy nankasitrahan'ny Tompo anefa izanv. Ny lesona dia izao:

1- Aza mihatsaravelatsihy eo anatrehan'ny Tompo
 "Halako, maharikoriko Ahy ...ary tsy sitrako ny fìvoriam- pivavahanareo!"(and.21). Nahoana? Satria mifanohitra amin'izay hita taratra ety ivelany nv fíainana ara-panahy: nivangongo teo anatrehan'ny olom-bitsy ny harena, nanjaka ny kolikoly sy ny tsindrihazolena. voahosihosy ny mahantra sy ny malahelo, feno fihatsaram-belatsihy sy fahavetavetana ny fanompoam-pivavahana: ny fanompoan-tsampy tsy nafoy. Ilaina ny fanaovana fivahinianana masina. ny mamonjv fotoam-pivavahana rehetra, ny manao rakitra be dia be, voadv... sns...kanefa aoka tsy ho amin'ny fihatsarambelatsihy no anaovana izany. Mandiniha tena aloha!

2- Manaova nv rarinv sv ny marina
"Aoka ny rariny hikoriana tov ny rano, ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra ". (and. 24).Tokony ho hita taratra amin'ny fiainana andavanandro nv fivavahana izav atao. Manana adidy hanasoa ny mpiara-beiona amintsika isika; manana adidy hijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika isika ka ho sahv hiady ho fampanjakana nv rariny sv ny fahamarinana. Izany no tsara sady ankasitrahana eo imason'ny Tompo.

Fanontaniana:
Azo antoka ve fa mankasitraka ny fanompoam-pivavahana ataontsika ny Tompo? Nahoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12