lundi 29 janvier 2018

Alatsinainy 29 Janoary 2018 - Mat 8 : 1 - 4

1Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro. 2Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe:
–Tompo ô, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

3Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe:
–Sitrako, madiova ianao!

Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy. 4Ary hoy i Jesoa taminy:
–Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio8.4 Jereo Lev 14.2-32. ianao.

"Mety Aho; madio va hianao"

Tena sitrak'i Jesoa tokoa ny hahasitrana ny marary, ary manam-pahefana hahasitrana ny karazan'aretina izay heverin'ny olona fa tsy azo sitranina Izy. Inona kosa àry no tokony hataon'ny marary?

1 - Manatona Azy (and.2)
Na teo aza ireo vahoaka marobe nanaraka an'i Jesoa (and.l); mety nisy koa ny fanilikilihana sy ny fitsaran' olombeiona noho ilay aretin-koditra. Tsy nahasakana azy hanatona an'i Jesoa izany rehetra izany. Ny fanatonana an'i Jesoa ihany no vahaolana. Aza mijery olona: aza mijery olana; fa manatona Azy!

2 - Miankohofa eo anatrehany (and.2)
Fantatr'ilay marary fa afaka manasitrana azy ny Tompo raha sitrany izany, ka dia hoy izy: "Tompo o, raha sitrakao dia hainao diovina aho" (and.2b-DIEM). Ka dia sitraky ny Tompo ny hanasitrana azy. Mivavaha ka manompoa Azy, izany no fíankohofana eo anatrehany; maneke fa tsy mahavita na inona na inona, raiso Jesoa hanam-pahefana sy ho mpanapaka ny fiainanao.

3 - Mandehana miseho amin'nv mpisorona...(and.4)
Nirahin'i Jesoa ilay lehilahy mba hiseho any amin'ny mpisorona sy hitondra fanatitra. Manana andraikitra amin' izay rehetra nositranin'ny Tompo ny mpitondra fivavahana, ary izay nositranina kosa hivavaka sy hisaotra an'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Rehefa marary mafy ny olona vao mitady an'I Jesoa. Nahoana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12