vendredi 19 janvier 2018

Zoma 19 Janoary 2018 - Jao 4 : 46 - 54

46Tamin'izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan'i Galilea indray, tany amin'ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray4.46 nanaovany ny rano ho divay: jereo 2.1-11. –tandapa: ny voambolana grika dia manondro manamboninahitra miasa ho an'ny mpanjaka Herôda Antipasy. nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma. 47Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty. 48Ka hoy i Jesoa taminy:
–Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy!

49Fa novalian'ilay tandapa hoe:
–Midîna re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!

50Ka hoy i Jesoa taminy:
–Ndeha mody, fa velona soa aman-tsara ny zanakao!

Nino ny teny voalazan'i Jesoa taminy ralehilahy, ka lasa nody. 51Efa teny an-dalana midina ho any Kafarnahòma izy no tamy nitsena azy ny mpanompony ka nilaza hoe:
–Velona soa aman-tsara ny zanakao!
5
2Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy:
–Omaly tamin'ny iray tolakandro no nialan'ny tazo taminy.
5
3Koa fantatry ny rain-drazazalahy fa tamin'izany ora izany indrindra no nanaovan'i Jesoa taminy hoe: «Velona soa aman-tsara ny zanakao»; dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra4.53 Ampit Asa 11.14; 16.14-15,31..

54Izany no famantarana faharoa4.54 Ampit 2.11. nataon'i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Nisy tandapa iray tao Kapernaomy, nanana zanaka narary. Nandeha nankany amin'i Jesoa izy ka niangavy Azy mba hidina ho any an-tranony hahasitrana ny zanany izay efa ho faty. Toa tsy mifanaraka amin'izay nangatahany anefa ny valin-tenin'i Jesoa raha nilaza Izy hoe:" raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo dia tsy mba hety hino mihitsy"(and.48).

1 - Tsv voafetran'nv elanenan-toerana ny fahefany
Ny Galiliana dia tsy mba nety nino afa-tsy izay hitan'ny masony. Ny hanala ilay tandapa amin'izay toe-tsaina izany no nokendren'i Jesoa eto raha nilaza izy hoe: "Andeha mody, velona ny zanakao"(and.50). Nino ny teny izay nolazain' Jesoa ilay lehilahy ka lasa nody. Na dia tsy nankany an-tranon'ilay tandapa aza Jesoa dia nahasitrana ilay marary kosa. 24 km eo ho eo ny elanelana. Mampiseho amintsika izany fa tsy voafetran'ny toerana na ny elanelan-tany ny fahefan'i Jesoa.

2 - Tsv voafaritrv ny fahalalan'olombelona nv fahefany
Tonga nino an'i Jesoa ilay tandapa rehefa nihaona sady niresaka taminy. Ny ankohonany rehetra koa tonga nino Azy, na dia tsy nihaona taminy akory aza ,fa nijanona tany Kapernaomy. Ny aretina izay noheverina ho fahafatesana no fiafarany, no indro tonga fifaliana sy famonjena lehibe ho an'ny rehetra. Tsy takatry ny saina sy ny fahalalana amin'ny maha olombelona izany. Koa aza mamoifo, matokia Azy, na inona na inona mitranga fa tsy izay miseho ety ivelany no hamaritra ny fahefan'ny Tompontsika.

Fanontaniana:
Tsapanao ve fa misy mivavaka ho anao any ho any?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12