mardi 23 janvier 2018

Talata 23 Janoary 2018 - Sal 145 : 8 - 14

HETA
8Miantra sy be indrafo ny TOMPO,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana145.8 Jereo Sal 86.15; 103.8.;

TETA
9tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO,
be indrafo amin'ny asany rehetra.

JODA
10TOMPO ô, midera Anao ny asanao rehetra;
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.

KAFA
11Resahiny ny fanjakanao be voninahitra
ary teneniny ny asanao mahery

LAMEDA
12mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery
sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.

MEMA
13Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao;
amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.

NONA
Mahatoky amin'ny fampanantenàny rehetra ny TOMPO
ary be fitiavana amin'ny asany rehetra145.13 Ny andalany roa farany amin'ity and 13 ity dia tsy ao amin'ny RM kanefa voatahirin'ny stf hebreo anankiray sy hita ao amin'ireo dkt tranainy ary tao Komrano. Sady raha tsy eo ireo andalana ireo, dia tsy misy andalana manomboka litera Nona amin'ity salamo araka ny abidỳ ity..

SAMEKA
14Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo
sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.

Mendrika ho deraina ny Tompo

Mendrika ho deraina ny Tompo satria:

1- Mamindra fo sy miantra Izv (and. 8)
Ny hoe mamindra fo dia azo adika hoe: tsy mampihatra ny sazy sy fanamelohana ho an'izay tokony ho niharan' izany. Raha ny fahotantsika, dia tokony helohina ho faty eo anatrehan'ny fitsaran'Andriamanitra isika, saingy mbola miantra sy mamindra fo sy antsika Izy ka namela ny fahadisoantsika. Ny fahafatesan'i Kristy dia fahatanterahan'izany ho antsika.

2- Manisy soa izao rehetra izao Izv (and.9)
Na ny olombelona, na ny zavaboary dia samy heniky ny fahatsaram-pon'Andriamanitra. Izy no anton'ny hatsarana sy ny fitahiana rehetra izay iainana sy iveloman'ny olona isanandro. Izay rehetra mahatsapa ny asa soa sy ny fitahiana nataony dia hahay misaotra sy mankasitraka Azy.

3- Mpanjaka be voninahitra Izy (and. 11-13)
Miseho eny amin'ny zavaboariny ny toetra maha Andriamanitra Azy: ny voninahiny sy ny fanjakany, ny heriny sy ny fahefany (and.ll)...Raha izay lazaina ho manam-pahefana sy mpanapaka eto amin'izao tontolo izao aza omentsika voninahitra sy haja, dia aoka mba tsy ho latsa-danja noho izany ny fìderantsika ny Tompo. Izy no Mpanjaka mandrakizay sady Tompon'ny fahefana rehetra.

Fanontaniana:
Manjaka sy manapaka ao amin'ny Fiangonana tokoa ve Jesoa?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12