vendredi 26 janvier 2018

Zoma 26 Janoary 2018 - Lio 10 : 17 - 20

17Faly tokoa ny 72 lahy raha niverina sady nanao hoe:
–Tompo ô, nanaiky anay na dia ireo demony aza rehefa nodidianay tamin'ny anaranao10.17 72 lahy: misy stf sasany ahitana hoe fitopolo lahy (jereo and 1)!

18Fa hoy i Jesoa taminy:
–Hitako tokoa i Satàna nilatsaka tahaka ny tselatra avy any an-danitra. 19Indro ianareo efa nomeko fahefana hanitsaka bibilava sy maingoka sady hanamontsana ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20Kanefa aza dia ianareo eken'ny fanahy ratsy no ifaliana; fa mifalia noho ianareo efa voasoratra anarana any an-danitra.

Manapaka amin'nv fahefany ny Tompo

Faly ery ireo mpianatry ny Tompo hanao tatitra fa mba nahavita ny iraka nampanaovina azy. Nambaran'ireo tamin'izany fa na dia ny demonia aza dia nanaiky azy ireo noho ny Anaran'i Jesoa. Antoky ny fahombiazana amin' ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra ny fandraisana fahefana avy Aminy:

1- Fahefana handresv ny herin'nv fahavalo (and.19')
Efa nampanantena ny Tompo fa izay nandray fahefana avy Aminy dia ho voaaro, ka tsy hanan-kery aminy ny ratsy. Tsy tokony hatahotra na hihemotra ny Fiangonana manoloana ny ady amin'ny tsy fahamarinana sy ny faharatsiana, na inona na inona mety ho fandrahonana sy fampitahorana, fa hoy ny Tompo: "Indro, efa nomeko fahefana... handresy ny hery rehetra ananan 'ny fahavalo hianareo... " Koa sahia mijoro ho vavolombelony. "...Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika ... " (2Tim 2. 7)

2- Fahefana hampiditra antsika any an-danitra(and.20)
 Izay tokony hahafaly indrindra ny mpianatra, dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana fotsiny ihany, fa ny hahatonga azy ireo ho ao amin'ny Tompo; ho fananan' ny Tompo voasoratra any an-danitra. Ny tena fahafaham-po sy fifaliana ho antsika dia tsy ny hanana fahefana sy hahavita fahagagana ihany akory, fa indrindra indrindra ny hahazoantsika antoka fa voavela heloka ka ho tonga tena zanak'Andriamanitra.

Fanontaniana:
Azonao antoka ve fa efa voasoratra any an-danitra ny anaranao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12