mercredi 24 janvier 2018

Alarobia 24 Janoary 2018 - Sal 97 : 7 - 12

7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy
sy mirehareha amin'ny zavatra tsinontsinona!
Aoka hiankohoka eo anoloan'ny Tompo
ianareo andriamanitra rehetra!
8Mandre izany i Tsiôna ka miravo;
ireo tanànan'i Joda mifaly
noho ny fifehezanao, TOMPO ô,
9satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany
sady ambonin'ireo andriamanitra rehetra.
10Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahalà ny ratsy
fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy
ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
11Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina,
ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.
12Mifalia ao amin'ny TOMPO,
ianareo olo-marina;
manaova fiderana Azy
ka tsarovy fa masina Izy.

Manana hafatra ho antsika ny Tompo mpanjaka

Eto amin'ity Salamo ity dia misongadina ny maha Mpanjaka an'Andriamanitra. Mitodika amin'ny sokajin' olona roa nv hafatra:

1- Ho an'ireo izav manompo sampy (and.7)
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy (and.7- DIEM). Asehon'ny mpanoratra etoana fa tsy azo ampitahaina velively amin'Ilay Andriamanitra Avo indrindra ambonin'ny tany rehetra ny sampy sy ny andriamani tsy izv, izay tsinontsinona (and.9). Mampalahelo fa ankehitriny dia toa miha mahazo sy omena vahana ny fanompoan-tsampy. Ambaran'ny mpanao Salamo fa ny olona mbola manompo sampy dia olona mirehareha amin'ny zava-tsinontsinona. Voararan' ny Didy folo ny fanompoan-tsampy. Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy ka hiala amin' izany. Aoka kosa tsy ho menatra fa ho sahy. izay rehetra mijoro ho vavolombelon'ny Tompontsika!

2- Ho an'ireo izav tia an'i Jehovah (and.10) "Ianareo izay fatra-pitia ny Tompo, mankahalà ny ratsy (DIEM'). Anarina kosa ireo izay tia sy manompo an'i Jehovah mba tsy hanao ratsv. Na dia manenjika aza ny fahavalo sv izav ta-hanisy ratsy, ny olona manao nv marina eo anatrehan'Andriamanitra dia hamirapiratra mandrakariva ny fiainany. Ary izanv no mitarika azv hifaly sy hidera an'Andriamanitra. Miaro ny ain'ireo izay mivavaka Aminy nv Tompo, ka manafaka azy tsy ho azon'ny fahavalo sy izay ta-hanisv ratsy. Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandriananv.

Fanontaniana:
Kristiana, hono "izy" kanefa miafma manompo sampy. Nahoana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12